Aller au contenu

Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana

Avy amin'i Wikipedia
Fidirana ao amin' ny Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana

Ny Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana dia valan-javaboary ao amin' ny tapany atsimon' i Madagasikara, ao amin' ny Faritra Matsiatra Ambony sy ny Faritra Vatovavy. Natsangana ho valan-javaboarim-pirenena fahefatra eto Madagasikara izy io tamin' ny taona 1991 taorian' ny nahitan' ny dokotera Patricia Wright, manam-pahaizana momba ny primata indray, ny varibolo (Hapalemur simus) sy ny varibolomena (Hapalemur aureus).

Sahona Boophis reticulatus

Misy ala trôpikaly maherin' ny 41 600 hektara ilay valan-javaboary izay manana haavo eo anelanelan' ny 800 sy 1 200 m ambonin' ny ranomasina, ary fonenan' ny karazana zavamaniry sy biby maro tsy fahita firy. Taty aoriana dia nampidirina tao amin' ny Lova Iraisam-pirenena mombany Ala Mando any Atsinanana ao amin' ny UNESCO io valan-javaboarim-pirenena io. Mifanakaiky amin' ilay valan-javaboary ny tobim-pikarohana Center ValBio, ary noforonin' ny Stony Brook University tamin' ny taona 2003 ho an' ny fikarohana momba ny zavamananaina, ny fahasalaman' ny fiarahamonina sy ny fanabeazana, ny zavakanto momba ny tontolo iainana ary ny fambolen-kazo.

Avy amin' ny teny malagasy hoe "rano mafana" ny anaran' ilay valan-javaboary noho ny loharano mafana ao amin' ny tanànan' i Ranomafana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Tahirin-javaboary