Aller au contenu

Valan-javaboarim-pirenen' i Midongy Atsimo

Avy amin'i Wikipedia
Sifaka diadema (Propithecus diadema)

Ny Valan-javaboarim-pirenen' i Midongy Atsimo, na ny Valan-javaboarim-pirenena Befotaka-Midongy, dia valan-javaboary ao amin' ny Faritra Atsimo-Atsinanana, ao amin' ny tapany atsimo-tsinanan' i Madagasikara, noforonina tamin' ny taona 1997. Ity toerana ity dia rakotry ny ala ao amin' ny faritra roa misy ala mando trôpikaly an-tany iva sy ala somary mando an-tany avo. Ao no fonenan' ny amboanala maro sy ny ganaganan' i Meller, karazana ganagana tsy fahita firy. Eo anelanelan' ny 689 m sy 1 679 m ambonin' ny ranomasina eo amin' ny tampony ny haavony: ny Tendrombohitra Papango izany tampony izany.

Mirefy 192 000 ha ity valan-javaboary ity, misy ala trôpikaly faharoa lehibe indrindra eto amin' ny Nosy ary manankarena amin' ny karazsam-biby sy karazan-javamaniry tsy fajihta firy, indrindra ny zavamaniry fanao fanafody.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]