Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia
Ny Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia dia faritra arovana mirefy 155 km2, any amin' ny 150 km atsinanan' Antananarivo, ahitana ala tsy vaky ao amin' ny Faritra Alaotra-Mangoro any amin' ny tapany atsinanan' i Madagasikara. Eo anelanelan' ny 800 sy 1 260 m ny haavo misy ilay valan-javaboary, sady manana toetany mando. 1 700 mm ny salan' ny rotsak' orana isan-taona, ary 210 andro isan-taona ny filatsahan' ny orana. Toeram-ponenan' ny karazan-javamananaina maro dia maro ity ala trôpikaly ity, ao anatin' izany ny karazam-biby tsy fahita firy sy atahorana ho lany tamingana, anisan' izany ny karazana gidro miisa 11. Ny ampahany roa amin' io valan-javaboary io dia ny Valan-javaboarin' i Mantadia sy ny Tahirin-javaboarin' Analamazoatra, izay malaza amin' ny fisian' ny gidro lehibe eto Madagasikara, dia ny babakoto na endrina (Indri indri).
Tamin' ny taona 2007 no voatendry ho anisan' ny Lova Iraisam-Pirenena an' ny Ala Mando any Atsinanana ilay valam-pirenena. Tsy voafantina ho amin' ny lisitra farany anefa ny ala ao aminy.
Anisan' ny valan-javaboahary mora tsidihina indrindra eto Madagasikara ho an' ny avy ao Antananarivo, izay lalana maharitra 3 ora raha andehanana fiara miantsinanana amin' ny lalana vita tara, dia ny lalam-pirenena faha-2 (RN2). Na dia akaikin' Analamazaotra sy ny foibem-pitantanana ny vala aza Antsampanana amin' ny RN2 dia tsy maintsy misy ny fitaterana manokana na alaina any amin' ny hôtely eo an-toerana vao tonga any Mantadia. Matetika hita any amin' ny faritra sasany ao amin' ilay valan-javaboary ny fitsangantsanganana maharitra 1-6 ora. Ilaina ny mpitari-dalana eo an-toerana ho an' ny mpitsidika miditra amin' ny ampahany amin' ilay valan-javaboary.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Valan-javaboary
- Valan-javaboarim-pirenena Andasibe-Mantadia • Valan-javaboarim-pirenena Andohahela • Valan-javaboarim-pirenena Andringitra • Valan-javaboarim-pirenena Ankarafantsika • Valan-javaboarim-pirenen' ny Helodranon' i Baly • Valan-javaboarim-pirenena Isalo • Valan-javaboarim-pirenena Kirindy Mitea • Valan-javaboarim-pirenena Mananara-Avaratra • Valan-javaboarim-pirenena Marojejy • Valan-javaboarim-pirenena Masoala • Valan-javaboarim-pirenena Midongy Atsimo • Valan-javaboarim-pirenen' ny Tendrombohitra Ambre • Valan-javaboarim-pirenena Namoroka • Valan-javaboarim-pirenena Nosy Ve-Androka • Valan-javaboarim-pirenena Ranomafana • Valan-javaboarim-pirenena Tsimanampetsotsa • Valan-javaboarim-pirenena Zahamena • Valan-javaboarim-pirenena Zombitse-Vohibasia