Raharaham-barotra
Ny raharaham-barotra na varotra dia asa ara-toekarena izay ividianana sy ivarotana entana sy serivisy, indrindra fa ny fividianana zavatra hamidy indray mba hahazoana tombom-barotra.
Manana ny lalànany manokana, izay angonina ao amin' ny Fehezan-dalàna momba ny varotra, sady manana ny fahefana mpitsara eo amin' ny fitrenena na iraisam-pirenena ny raharaham-barotra. Ankoatry ny fahazoana tombony dia hetsika ara-toekarena na matihanina maro toy ny fanabeazana, ny pôlisy, ny kolontsaina, ny fitsaboana, ny fitsarana, ny maritrano, ny fivavahana, sns. dia tsy tafiditra ao anatin' ny sehatry ny raharaham-barotra, fa ao amin' ny sehatry ny lalàna sy fitsarana sivily na momba ny fitantanan-draharaham-panjakana.
Noho ny fisian' ny fitaovam-pampitan-kevitra mahery vaika ananany, ny Fikambanana eran-Tany momba ny Varotra (frantsay: Organisation mondiale du commerce, OMC; anglisy: World Trade Organization - WTO; espaniôla: Organización Mundial del Comercio, OMC) dia miezaka manitatra ny sehatra ahafahany miasa sy ny foto-pitsipiny momba ny fahazoana tombom-barotra amin' ny asa tsy ara-barotra rehetra amin' ny fanoherany ny zon' izy ireo hanana lalàna sy soatoavina tsy liana amin' ny fahazoana tombony.