Aller au contenu

Pio IX

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Pie IX)
Pio IX
Ankapobeny
Anarana Pio IX
Teraka 13 Mey 1792
Maty 7 Febroary 1878
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Italia
Asa : Tsy fantatra
Fiainana manokana

I Pio IX dia papa faha-255 ao amin' ny Eglizy Katôlika, voafidy tamin' ny 16 Jona 1846. Amin' ny teny latina izy dia atao hoe Pius IX. Ny 31 taona naha papa azy no lava indrindra teo amin 'ny tantaran' ny papa. Giovanni Maria Mastai Ferretti no tena anarany. Injeniera italiana teraka tamin' ny 13 Mey 1792 tao Senigallia ary maty ny 7 Febroary 1878 tao Rôma

Niady tamin' ny onja revôlisiônera izay nanozongozona ny pôlitika eorôpeanina i Pio IX, ka nifandroritan' ny maha pasitora maneran-tany sy ny an' ny papa-mpanjakan' ny fanjakana mahaleo tena. Amin' ny maha mpandala ny nentin-drazana azy, izy no noratra ny Syllabus sy ny ensiklika Quanta cura, izay manameloka ny endrika môdernisma rehetra ao amin' ny Eglizy. I Pio IX dia nanambara ny tenim-pinoana momba ny Fahatorontoronina tsy azon-keloka an' i Maria. Nampanao ny Kônsily ekiomenika voalohany tao Vatikana izy, izay namaritra indrindra ny tsy tsy fetezan-dison' ny papa, izay vao mainka nanitatra ny fisarahan' ny Eglizy Katôlika sy ny antokom-pivavahana kristiana hafa. Ity kônsily ity, rehefa nahatratra ny tanjony lehibe, dia naato tanteraka rehefa nanafika an' i Rôma ny miaramila piemôntey. I Pio IX, andriamanjaka farany teo amin' ny fanjakana papaly, dia nanambara ny tenany ho "gadran' i Vatikana", toe-javatra izay niteraka ny "Fanontaniana Rômana", izay tsy nahita vahaolana raha tsy tamin' ny taona 1929, tamin' ny fanaovan-tsonia ny Fifanarahana tao Lateran teo amin' ny Fanjakan' i Vatikana, izay lasa arovan' ny lalàna iraisam-pirenena, sy ny Fanjakana Italiana.

Nosokafan' i Pio X tamin' ny taona 1907 ny fizorana mankany amin' ny fanaovana azy ho olon-tsambatra, izay niteraka resabe, satria mbola manan-danja ny Fanontaniana Rômanina tamin' izany fotoana izany. Teo ambany fitondran' i Benoà XV sy Pio XI, ny fitsarana dia nanaraka tsara ny lalany. I Pio XII no nanetsika azy io tamin' ny taona 1954; nahatratra ny tanjony izany rehefa nanambara tamin' ny fomba manetriketrika azy ho olon-tsambatra i Joany Paoly II tamin' ny taona 2000. Tsarovana isaky ny 7 Febroary izy araka ny voalazan' ny Maritirôlôjia Rômana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
  • Ao amin'i Freebase: [1]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.