Aller au contenu

Olo-masina

Avy amin'i Wikipedia
I Maria, renin' i Jesoa, no heverina ho lehibe indrindra sy masina indrindra amin' ny zavaboarin' Andriamanitra.

Ny olo-masina na olona masina na olomasina, ao amin' ny sehatry ny fivavahana, dia olona miavaka noho ny fisandratany ara-panahy sady atolotra ny mpino ho môdelim-piainana noho ny toetrany manokana na ny fitondran-tenany izay heverina ho fakan-tahaka. Antsoina hoe "maritiora" na "maritira" (izany hoe "vavolombelona") ny sasany amin' ireo olo-masina ireo, rehefa namoy ny ainy noho ny firaiketam-pony amin' ny finoany.

Ao amin' ny fivavahana kristiana dia olona ekena ho manana ambaratom-pahamasinana, fitoviana amin' Andriamanitra, na fanakaikezana an' Andriamanitra ny olo-masina. Na izany aza dia miankina amin' ny teny na zava-misy manodidina sy ny antokom-pivavahana ny fampiasana ny teny hoe masina. Ao amin' ny foto-pampianarana katôlika, ôrtôdôksa tatsinanana, anglikanina, ôrtôdôksa atsinanana ary loterana dia heverina ho olo-masina avokoa, amin' ny heviny mivelatra, ny mpino rehetra efa maty any an-danitra, fa heverina ho mendrika ny homem-boninahitra na halain-tahaka bebe kokoa kosa ny sasany. Olona masina ny Kristiana rehetra, na mbola velona na efa maty, amin' ny Prôtestanta.

Ny fankatoavana ôfisialy ataon' ny fiangonana sy ny fanompoam-pivavahana ampahibemaso vokatr' izany dia atao ho an' ny olo-masina sasany amin' ny alalan' ny dingan' ny fanokanana ho olo-masina (kanônizasiôna) ao amin' ny Eglizy Katôlika, ary fanomezam-boninahitra (glôrifikasiôna) no atao ho amin' ny olo-masina ao amin' ny Eglizy Ôrtôdôksa Tatsinanana aorian' ny fankatoavana. Atao hoe masindahy na masimbavy ny olo-masina katôlika na ôrtôdôksa na anglikana.

Matetika mampiasa ny teny hoe masina, amin' ny fomba ankapobeny, hilazana ny toe-pahamasinana manokana izay ambaran' ny fivavahana maro ho an' ny olona sasany ny mpahay tantara momba ny fivavahana, ka tondroina koa ho olo-masina ny ḥasīd na tzadik ao amin' ny jodaisma, ny walī ao amin' ny silamo, ny rishi ao amin' ny hindoisma, ny Bhagat sy ny guru ao amin' ny sikisma, ny kami ao amin' ny sintôisma, ny shengren ao amin' ny taôisma, ary ny arhat na bodhisattva ao amin' ny bodisma. Arakaraka ny fivavahana, dia ekena ho izany tokoa ny olo-masina amin' ny alalan' ny fanambaràna ôfisialy ataon' ny Fiangonana, toy ny ao amin' ny finoana katôlika, na amin' ny horakora-pifaliana ataon' ny vahoaka.

Toetra mampiavaka ny olo-masina amin' ny ankapobeny

[hanova | hanova ny fango]

Ny teny malagasy hoe olo-masina na olona masina na olomasina fandikana ny teny latina hoe sanctus, izay fandikana ny teny grika hoe ἅγιος / hagios (izay samy midika hoe "masina")[1]. Miseho in-229 ny teny hoe ἅγιος ao amin' ny Testamenta Vaovao amin' ny teny grika.

Ny teny hoe sanctus dia teny ara-teknika tany am-boalohany tao amin' ny fivavahana rômana fahiny, saingy noho ny fampiasana azy eo amin' ny kristianisma manontolo dia ampiasaina koa ankehitriny ny teny hoe masina ho dikantreny azo anondroana ny olona mendrika ny fanajana ambony noho ny hamasiny na ny fahamasinany ao amin' ny fivavahana hafa.

Fivavahana maro koa no mampiasa teny mitovitovy hevitra amin' io mba hankamasinana ny olona mendrika homem-boninahitra. Nanoratra i John A. Coleman, izay mpanoratra ao amin' ny Graduate Theological Union, any Berkeley, any California (Etazonia), fa ny olo-masina ao amin' ny kolontsaina sy fivavahana isan-karazany dia manana ireto toetra toy ny ifanahafan' ny mpianakavy ireto (tsy misy amin' ireo tetra ireo ny iraisan' izy rehetra)[2]:

  1. môdely fakan-tahaka;
  2. mpampianatra miavaka;
  3. mpiasa mahagaga na loharanon-kery feno hatsaram-panahy;
  4. mpanelanelana;
  5. fiainana matetika mandà ny firaiketana amin' ny ara-nofo na fampiadanan-tena;
  6. fananana fifandraisana manokana sy manambara amin' ny masina.

Ao amin' ny kristianisma

[hanova | hanova ny fango]

Ankapobeny

[hanova | hanova ny fango]

Misy tsipika fisarahana eo amin' ny fiangonana tsy kalkedôniana (ao amin' ny prôtestantisma indrindraindrindra) sy ireo izay manao fanompoam-pivavaana amin' ny olo-masina (Katôlika sy Ôrtôdôksa), indraindray lazain' ny mpivavaka ao amin' ny fiangonana tsy kalkedôniana ho fiovan' endriky ny fivavahana amin' andriamanitra maro (na pôliteisma) izay fanaon' ny olona tamin' ny Andro Taloha. Tsy manavaka ny fanompoam-pivavahana atao amin' Andriamanitra (adôrasiôna na latria) sy ny fanompoam-pivavahana atao amin' ny olo-masina (venerasiôna na dolia, izay ekena fa mpanompon' Andriamanitra) ny fiangonana tsy kalkedôniana. Tamin' ny fiafaran' ny Andro Taloha Eorôpeana no nahatongavan' ny kristianisma, izay fivavahana mônôteista. Satria mbola voamariky ny pôliteisma ny fivavaham-bahoaka dia nampiditra an' izany finoana izany ny manam-pahefana ara-pivavahana, amin' ny fanomezana alalana ny fanompoam-pivavahana atao amin' ny olo-masina mpiaro, isan-toerana, eny fa na isam-paritra aza. Tao amin' ny resadresaka nifanaovana tamin' ny gazetiboky Populaire du centre tamin' ny taona 2016, dia nilaza toy izao i Odon Vallet: "Ny olo-masina eo an-toerana dia nety natao ohatra amin' ny hatsaran-toetra ary nilaina ny hahazo aingam-panahy avy amin' ny môdelin' ny fiainana kristianan' izy ireo. Fomba iray fakana tahaka an' i Kristy koa izany"[3].

Ao amin' ny prôtestantisma

[hanova | hanova ny fango]

Ny prôtestantisma dia miavaka ao amin' ny kristianisma noho ny fandavany ny fanompoam-pivavahana atao amin' ny olo-masina (sy amin' ny zavatra sisa navelan' izy ireo). Ny Baiboly dia manao hoe "masina" ny olona rehetra izay mandray ny ran' i Jesoa izay latsaka teo amin' ny hazo fijaliana izay ilaina sady ampy hamafa ny fahotany, satria mpanota eo anatrehan' Andriamanitra ny olombelona rehetra (jereo ny Hebreo 10:29 sy ny Rômana 3:10-18). Io hevitry ny teny hoe "masina" io, izay mitovy amin' ny hoe "kristiana", no faheno indrindra ao amin' ny prôtestantisma. Io foto-pinoana io dia manizingizina ny fanambaràna ny famonjena izay araka ny sitrapon' Andriamanitra irery ihany (sola gratia, sola fide, ... "ny fahasoavana irery ihany, ny finoana irery ihany ..."), izay midika fa "Andriamanitra irery ihany no mahalala izay Azy". Vokatr' izany, ny Prôtestanta dia tsy manao na iza na iza ho masina kokoa noho ny hafa, indrindra fa ny fahazoana ny hoe fiainana any an-koatra dia miovaova arakaraka ny antokom-pivavahana, eny fa miovaova arakaraka ny olona. Ao amin' ny prôtestanta klasika (loterana sy nohavaozina), ny olona resahina ao amin' ny Testamenta Vaovao dia antsoina matetika hoe "olona masina", nefa tsy miteraka fanaovana fanompoam-pivavahana izany na dia kely aza, satria ho an' ny Prôtestanta rehetra dia Andriamanitra irery ihany no anaovana fanompoam-pivavahana (Soli Deo gloria, "ho an' Andriamanitra irery ny voninahitra"). Araka ny fomba nivandovana dia firenena prôtestanta maro no mitazona ho "mpiaro" ny olona masina izay nalaza fa nandray anjara lehibe indrindra tamin' ny fitoriana ny filazantsara: i Heliga Birgitta ho an' i Soeda, i Heilag-Olav (ny mpanjaka Olav II) ho an' i Nôrvezy, sns.

Ao amin' ny jodaisma

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny jodaisma dia Andriamanitra irery ihany no masina. Ny mitovy amin' ny olona "masina" amin' ny fivavahana hafa dia ny "marina" (hebreo: צדיק / tzaddik). Ny Torah dia mampiasa ny teny hebreo qadosh, izay midika hoe "masina", "misaraka" ary amin' ny fanitaran-kevitra izay midika hoe "madio" (tsy misy kilema, tsy misy pentina), mba hanondroana an' Andriamanitra, ilay "Iray Masina, isaorana anie Izy" (hebreo: הַקָּדוֹשׁ בָּרוּךְ הוּא / ha-Qadosh barukh- Hu).

Ny hafatra hoe "Masina ho an' i Yahweh" dia voasoratra eo amin' ny takela-bolamena (Tsits Hazahav) nanaovan' ny mpisoronabe nanao ny asa fanompoana tao amin' ny Tempolin' i Jerosalema. Ny hevitra fototra rehetra momba ny fahamasinana dia mifamatotra amin' Andriamanitra izay, amin' ny alalan' ny asany, afaka manamasina (amin' ny alalan' ny fanasarahana, ny fanadiovana) ny olona, ​​ny vahoaka, ​​na ny toerana. Toy izany koa, amin' ny fampiasana ilay teny hoe "masina" io ihany, ny Torah dia manondro ny vahoakan' i Israely ho "fanjakà-mpisorona (andriana, amin' ity toe-javatra ity) sy vahoaka masina" (Eksôdôsy 19:6).

Ao amin' ny silamo

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny finoana silamo, ny wali (arabo: ولي الله / walī Allāh, izay midika hoe "manakaiky an' i Allah" na "sakaizan' i Allah") dia azo raisina ho mitovy amin' ny olo-masina kristiana. Mampiavaka azy ny fahalehiben' ny fahatsaran' ny fanahiny, ny fandavany ny harena ara-nofo ary ny fitiavam-bavaka lalina ananany.

Ao amin' ny sonisma

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny ankapobeny, ny sonisma dia manameloka ny fanompoam-pivavahana hafa ankoatra izay miantefa amin' Andriamanitra, ary ny Kor'any dia mamaritra ho mpampitambatra zavatra hafa amin' Andriamanitra ireo izay manohitra ny fanambaràna ny maha tokana an' Andriamanitra. Izany no mahatonga ny fanomoam-pivavahana atao amin' ny "olo-masina" ho voarara ao amin' ny sonisma. Izany anefa dia tsy manakana ny fanekena ny fahamasinan' ny olona sasany, izay afaka mahazo ny anaram-boninahitra hoe Hazrat ("fanatrehana") indraindray, indrindra hanondroana ny mpaminany toa an' i Abrahama, i Mosesy na i Jesosy.

Na izany aza, satria tsy manana ambaratongam-pahefana ny sonisma, dia tsy misy fahefana ara-pivavahana tompon' andraikitra amin' ny fanomezana ny anaram-boninahitra hoe "masina", ka noho izany dia tsy manana olo-masina ôfisialy ny sonisma, tsy toy ny Eglizy Katôlika ohatra. Faneken' ny mpino ny fahamasinan’ ny olona iray kosa izany.

Ao amin' ny sofisma

[hanova | hanova ny fango]

Ny firenena ao Afrika sasany, indrindra ny any Maghreb, dia matetika manao fanompoam-pivavahana amin' ny olo-masina (indraindray antsoina koa hoe marabout). Ny endrika heterôdôksan' ny sofisma, anisan' izay ny tariqa izay hita any amin' ny vahoaka mozilmana rehetra, dia manana wali, teny izay adika amin' ny ankapobeny hoe "saint" ("olo-masina") amin' ny asasoratry ny islamôlôjia amin' ny teny frantsay, na dia matetika aza ny dikan' ny hoe wali dia mitovy amin' ny hoe "mpitari-dalana mankany amin' Andriamanitra" na "mpampianatra".

Olo-masina sasany

[hanova | hanova ny fango]

Masimbavy

[hanova | hanova ny fango]

Ireto ny vehivavy masina sasany ao amin' ny sofisma;

  • i Lalla Manoubia, olo-masina toniziana maty tamin' ny taona 1257;
  • i Lalla-Khadidja, olo-masin' i Kabilia izay namela ny anarany amin' ny toerana avo indrindra (2 308 m) ao amin' ny tangoron-tendrombohitra Djurdjura;
  • i Lalla Maghnia, olo-masina nanome ny anarany ny tanànan' i Maghnia any Alzeria;
  • i Lalla Mimouna, olo-masina ankalazain' ny Jiosy marôkana, izay nanome ny anarany ho an' ilay tanàna mitovy anarana aminy ao amin' ny Faritanin' i Kenitra;
  • i Malek Jân Ne'mati, teraka tao Kordistana Iraniana, hajaina ho olo-masina ary omena anaram-bosotra hoe Sheikh Jâni na Masimbavy Janie. Maty tany Paris tamin' ny taona 1993 (tamin' ny faha 87 taonany), nalevina tao an-tanànan' i Baillou.

Masindahy

[hanova | hanova ny fango]

Ireto kosa ny lehilahy masina ao amin' ny sofisma:

  • i Bulleh Shah: filôzôfa sy pôeta tamin' ny taonjato faha-17 avy any Punjab, ny tononkalony, izay matetika atao amin' ny mozika, dia hiraina mandritra ny fotoam-pivoriana atao hoe qawwali;
  • i Shams Tabrizi: mpampianatra an' ilay mistika lehibe Djalâl ad-Dîn Rûmî;
  • i Mu'in-al-Din Chishti: mpanorina ny fikambanam-pirahalahiana Chishtiyya Baba Farîd tamin' ny taonjato faha-13 (fantatra ihany koa amin' ny anarana hoe Ganj-e Shakar): mistika manan-danja izay hajain' ny Mozilmana ao Pakistàna, sady hajain' ny Siky sy ny Hindoa;
  • i Al-Hujwīrī, mistika manan-danja tamin' ny taonjato faha-11, nanoratra ny Kashf al-Mahjub ("Fampiharihariana ny Zava-miafina"), anisan' ny sanganasam-panorenana ny sofisma.

Ao amin' ny siisma

[hanova | hanova ny fango]

Ny siisma koa dia manaiky ny fisian' izay mitovy amin' ny atao hoe "olo-masina", izay tsy iza fa ny Imam. Ny fasan' izy ireo dia anaovana fivahiniana masina izay matetika mahasarika olona marobe, ohatra, any Iràka, ny diaben' i Arbain, izay ahatsiarovana ny fahafatesan' i Al-Hussein ibn Ali.

Ao amin' ny hindoisma

[hanova | hanova ny fango]

Ny hindoisma dia manana olo-masina maro (izay azo antsoina hoe sant na bhakta) ary mifandray amin' ny firehana bhakti. Avy amin' ny taranaka maro izy ireo, saingy anisan' ny firehana visnoita. Anisan' ny malaza indrindra i Kabir, i Namdev, i Samarth Ramdas ary i Tukârâm. Ny vanim-potoana nampalaza indrindra ny sant dia teo anelanelan' ny taonjato faha-13 sy faha-17. Hita ao amin' ny sanganasa toy ny The saints of Bengal, na koa ny Bhaktamâla nataon' i Nābhājī, ny hagiôgrafian' ny sasany amin' izy ireo.

Ao amin'ny bodisma

[hanova | hanova ny fango]

Ny teny hoe "masina" dia tsy misy ao amin' ny bodisma. Noho izany, ny anarana (vao haingana) ao amin' ny bodisma tibetana an' ny Dalai Lama hoe "Ny Fahamasinany" dia fandraisana tsotra ny voambolana tandrefana (ao amin' ny asasorany anefa, i Tenzin Gyatso, izay Dalai Lama fahefatra ambin' ny folo, dia miresaka momba azy ho "bhikshu of the Buddha").

Ny teny sanskrita hoe ārya, izay midika hoe "andriana", dia mety kokoa. Ity teny ity dia manondro ny Bodista rehetra izay tafiditra ao amin' ny marga ("lalana"), na ny marimarina kokoa izay nahatratra fara-fahakeliny ny dingana voalohany amin' ilay antsoina hoe "olona mendri-kaja efatra". Rehefa tafiditra ao amin' io lalana io izy ireo tamin' ny fanapahana tsikelikely ny fatorana mihazona azy ireo ao amin' ny tsingerin' ny fahaterahana indray (atao hoe samsâra), dia mandalo dingana efatra, mandritra ny "fiainana" vitsivitsy izay sisa tsy maintsy iainany alohan' ny hahatongavany amin' ny fanafahana feno (nirvâna) hiala amin' ny kodiaran' ireo fisiana: ny sotapanna, ny sakadagamin, ny anagamin ary ny arhat — io farany io no miditra ao amin' ny nirvāna.

Ao amin' io sehatra io, ny bodhisattva dia tsy tena "olona mendri-kaja", satria tsy nanapaka (an-tsitrapo) ny fatorana izy, fa ny hatsaran' ny fifohazany (tsy fatoriany) dia afaka mametraka azy miaraka amin' ny ārya rehetra, araka ny voalazan' ny Mahaiana. Amin' i Paul Magnin dia izy no "mariky ny fomba fahamasinana vaovao".

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Canonization". oca.org.
  2. Coleman, John A. "Conclusion: After sainthood", in Hawley, John Stratton, ed. Saints and Virtues Berkeley: University of California Press, 1987. pp. 214–217.
  3. Inty ilay ampahan-dahatsoratra nadika amin' ny teny malagasy "Les saints locaux pouvaient servir d’exemple de vertu et il fallait s’inspirer de leur modèle de vie chrétienne. Il y avait là aussi une certaine manière d’imiter le Christ."