Aller au contenu

Nify

Avy amin'i Wikipedia
Nify
Firan' ny nify

Ny nify dia taova mafy vita amin' ny sokay sady misy mineraly be dia be, ao amin' ny vavan' ny biby manana hazon-damosina, mitsatoka amin' ny valanorano ambony sy ambany, ary ny tena asany dia ny mandray, mihazona, mandrovitra ary mamotika ny sakafo, ary iarovan-tena amin' ny biby mpiremby na amin' ny mpifanandrina.

Ny nify matetika dia miavaka arakaraka ny sakafon' ny karazana izay mamaritra ny bikany, ny isany, ny fipetrany na ny faharetany. Ohatra, ny saka sy ny mitovitovy aminy (Felidae) dia manana nify maro ho entina mandrovitra hena, fa ny nifin' ny olombelona kosa dia mifanaraka amin' ny maha tsy mifidy karazan-javatra hohahina azy.

Ny nify dia hita amin' ny kilasim-biby manana hazon-damosina telo misy: ny trondro sy ny biby mandady na mikisaka ary ny biby mampinono, nefa misy vondrona sasany amin' ireo kilasy ireo izay tsy manana nify, fa ny hafa kosa manavao ny nifiny mandritra ny androm-piainany.

Fiziôlôjia

[hanova | hanova ny fango]

Anisan' ny taova mafy indrindra ny nify, ny antony mahamafy azy dia ilay karazana bakoly mandrakotra ny faritra ivelany. Mahatanty afo izy ary ampiasaina amin' ny « medecine medico-legale ».

Karazana nify

[hanova | hanova ny fango]
Radiôgrafian' ny nify. Hita eto daholo ny nify

1-....(Incisive) 2-Vangy(Canine) 3-Vazana(Molaire) 4-Fara-vazana(Pre-molaire)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.