Aller au contenu

Lolon-dandy

Avy amin'i Wikipedia
Lolon-dandy

Ny lolon-dandy dia lolo ompiana fahita betsaka any Sina avaratra, ompina mba hamokarana landy. Atao hoe Bombyx mori ny anarany ara-tsiansa. Ny fanday avy aminy no antsoina hoe bibin-dandy. Aorian' izay izy vao lasa soherina. Tsy misy any an' ala izy io fa tsy maintsy ompiana. Izy io dia vokatry ny fifantenana amin' ny alalan' ny fiompiana bibikely mitovy vondon-karazana aminy. Rehefa eo amin' ny maha lasa fanday ny zanany no mamokatra ny tsiraka sarobidy ao anaty rorany be dia be izay, rehefa azon' ny rivotra dia miova ho kofehin-dandy tokana izay anaovan' ny fanday ho tranon-dandy (atao hoe mason-dandy koa). Ampangotrahina ny fanday amin' io vanim-potoana iainany io mba hahazoana ilay kofehy izay mirefy 800 ka hatramin' ny 1 500 m ny halavany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]