Liberià
Liberià {{ }} | |||||
((mg)) | |||||
| |||||
Teny ofisialy | English | ||||
Renivohitra | Monrovia | ||||
[[|Monrovia]] | |||||
Fitondrana sy governemanta - |
Repoblika | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 103 111 369 km² 13.5% | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 130 3 476 608 mpo. 35,5 mpo./km²
| ||||
Anaran'ny mponina | |||||
Sandam-bola | Liberian dollar (LRD )
| ||||
Faritr'ora | UTC 0 | ||||
Hiram-pirenena | "The love of liberty brought us here" | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
231
|
I Liberià na ny Repoblikan' i Liberià dia firenena ao Afrika Andrefana izay manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, sady manana velaran-tany mirefy 99 067 km². I Monrovia no renivohiny, miray sisin-tany ao avaratra-andrefana amin' i Siera Leôna, ao avaratra amin' i Ginea ary ao atsinanana amin' i Kôtidivoara, i Atlantika no mamaritra azy avy avy ao atsimo-atsimo-atsinanana sy andrefana-atsimo-andrefana. Nisy mponina miisa 4 299 944 i Liberià tamin' ny taona 2016. Atao hoe Liberiana ny vahoakan' io firenena io.
Manana morontsiraka mirefy 600 km any ho any ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika i Liberià. Mifandimby eny amin' ny morontsiraka ny tany lemaka misy fambolena sy ny alan-tany orana. Ny any afovoan' ny tany dia anjakan' ny lembalemba sy alan-jana-pehintany midadasika.
Ny mponina ao Liberià dia voarafitry ny vondrom-poko roa lehibe, dia ny vahoaka tompon-tany (95 %n' ny mponina) sy ny Amerikanô-Liberiana (taranaky ny andevo nafahana avy any Etazonia tamin' ny taonjato faha-19).
Manana korian-drano betsaka sy harena an-kibon' ny tany betsaka koa (toy ny vy sy ny volamena, ary ny diamondra) i Liberià. Niankina tamin' ny fanondranana akora fanodina sy vokatra fototra ny toekaren' i Liberià talohan' ny ady an-trano tamin' ny taona 1988, fa nandritra sy taorian' izay dia nidina ambany dia ambany izany toekarena izany.
I Liberià no firenena nahazo fahaleovan-tena voalohany aty Afrika, tamin' ny taona 1847. Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialiny, nefa misy fiteny afrikana maro izay ampiasain' ny olona andavavandro.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Firenena ao Afrika:
Afrika Atsimo - Alzeria - Angôla - Benino - Borkina Fasô - Borondy - Bôtsoana - Ejipta - Eritrea - Esoatiny (Soazilandy taloha) - Etiôpia - Gabôna - Gambia - Ganà - Ginea - Ginea Bisao - Ginea Ekoatôrialy - Jibotỳ - Kamerona - Kapvera - Kenia - Kômôro - Kôtidivoara - Lezôtô - Liberia - Libia - Madagasikara - Malaoy - Malỳ - Maorisy - Maoritania - Marôka - Môzambika - Namibia - Nizera - Nizeria - Oganda - Repoblika Arabo Saharaoy Demôkratika - Repoblika Demôkratikan' i Kôngô - Repoblikan' i Afrika Afovoany - Repoblikan' i Kôngô - Roanda - Saô Tôme e Prinsipe - Seisely - Senegaly - Siera Leôna - Sodàna - Sodàna Atsimo - Sômalia - Sômalilandy - Tanzania - Tôgô - Tonizia - Tsady - Zambia - Zimbaboe
Kôntinenta eto an-tany