Aller au contenu

Korisam-peo

Avy amin'i Wikipedia
Toha-peo

Ny korisam-peo na toha-peo na gama dia fitambaran' ny maripeo miakatra na midina, izay fototra ahazoana ny feo rehetra hanaovana mozika. Ny feo tsirairay ao anatin' ny toha-peo dia atao hoe ambaratonga. Ny korisam-peo dia miavaka amin' ny fisian' ny heba (elanelam-peo) mifanila sy mifanarakaraka mamorona azy - izany hoe, ny heba misy eo amin' ny ambaratonga mifanila.

Ny gama diatônika, asehon' kitendry fotsy

Ny toha-peo dia matetika mifandray amin' ny kolontsaina na amin' ny sivilizasiôna, ka noho izany dia marobe ny karazany, miankina amin' ny vanim-potoana ampiasana azy (hatramin' ny mozika grika fahiny ka hatramin' ny mozika ankehitriny), ny fiaviany ara-jeôgrafia (ohatra: ny gaman' ny firenena arabo, ny any India, ny any Sina, ny gama pentatônika, misy ambaratonga dimy, any amin' ny firenena maro), na koa ny gama noforonin' ny mpitendry mozika maniry ny hisaraka amin' ny nentin-drazana.

Toha-peo

Ny gama môdely voalohany amin' ny mozika tônaly - toy ny an' ny mozika môdaly - dia ny gama diatônika, izay asehon' kitendry fotsy amin' ny pianô, izay ahitana ny filaharana maripeo , re, mi, fa, sôl (na ), la, si (na ti), ary do, na A, B, C, D, E, F, G ary A (ny la no mifanandrify amin' ny A).