Aller au contenu

Kasỳ (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Zazavavy kasỳ

Ny Kasỳ dia vahoaka any Meghalaya any amin' ny tapany avaratra-atsinanan' i India, izay hita betsaka ao amin' ny fanjakan' i Assam, sy any amin' ny faritra sasany ao Bangladesy. Ny Kasỳ no vahoaka betsaka indrindra ao amin' ny tapany atsinanan' i Meghalaya, izany hoe ny tangoron-kavoanan' i Khasi, izay 78,3 % amin' ny mponina ao amin' ilay faritra, ary izy no vondrom-poko lehibe indrindra ao amin' ilay fanjakana, izay 48 % amin' ny mponina ao Meghalaya.

Anisan' ny olona vitsy miteny aostrôaziatika any Azia Atsimo izy ireo. Ny fiteny kasỳ no fiteniny. Ny vondrom-poko kasỳ dia miavaka noho izy ireo anisan' ny vondrom-poko vitsy sisa izay manana fiarahamonina entin-dreny. Araka ny Lalàmpanorenan' i India dia nomena ny satan' ny fokom-pirenena anaty lisitry ny fanjakana ny Kasỳ.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]