Halatra omby
Ny halatra omby dia fakana omby velona amin' ny fomba tsy ara-dalàna sady mety misy fanafihana sy herisetra avy ao am-bala na ao amin' ny traninon' ny biby fiompy na eny am-piraohany ahitra, matetika maro indray mandeha. Ny halatra omby dia heloka sazian' ny fehezan-dalàna ao amin' ny ankamaroan' ny firenena ahitana fiompiana omby.
Mbola mitranga any amin' ny faritra fiompiana eran-tany io heloka io, indrindra raha miakatra ny vidin' ny hena. Mba hiadiana amin' ny halatra omby dia misy fomba maro, manomboka amin' ny fampiasa na fitaovam-piadiana na fiara ka hatramin' ny teknika vaovao ampitaha ny ADN amin' ny biby vonoina amin' ny toeram-pivarotan-kena na trano famonoana omby.
Ny halatra omby ankehitriny
[hanova | hanova ny fango]Aty Afrika Atsinanana
[hanova | hanova ny fango]Ny Pôkôta sy Samboro, izay vahoaka nilôtika any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Kenià dia matetika mifanafika mba haka omby[1]. Ny halatra omby mahery vaika dia niteraka famoizana ain' olona maro toy ny fanafihana tamin' ny 12 Marsa 2001 teo amin' ny Marakoeta tao Murkutwo, ao amin' ny kôntean' i Elgeyo Marakwet, izay ahiana ho nataon' ny Pôkôta[2].
Ao Sodàna
[hanova | hanova ny fango]Nisy fifandonana momba ny kijana sy halatra omby teo amin' ny Dinkà sy ny Noera raha niady noho ny fiandrasana ny biby fiompiny hiraoka ahitra[3][4].
Olana lehibe any ambanivohitr' i Sodàna Atsimo ny halatra omby. Tao amin' ny Fanjakan' i Jonglei, nisy fanafihana sy halatra omby tamin' ny Aogositra 2011 nahafaty olona 600 teo ho eo. Tamin' ny Janoary 2012 indray dia nisy fifandonan' ny foko mifandraika amin' ny halatra omby nahafaty olona eo anelanelan' ny 2 000 sy 3 000 ary olona 34 500 no nafindra toerana tany amin' ny faritra manodidina an' i Pibor[5].
Ao Nizerià
[hanova | hanova ny fango]Zava-mitranga fahita any Nizerià ny halatra omby[6][7][8].
Ao Israely
[hanova | hanova ny fango]Ny halatra ondry sy osy ary omby, miaraka amin' ny halatra traktera sy fitaovana fanondrahana, dia anisan' ny olana saro-bahana indrindra atrehin' ny mpamboly sy mpiompy ao Israely. Manodidina ny 400 eo ho eo ny tranga taterina isan-taona any amin' ny tapany avaratra sy atsimon' ilay firenena, ny tantsaha dia mampitaha ny zava-misy amin' ny an' ny Wild West. Sekely an-tapitrisany no sandan' ny fatiantoka isan-taona[9]. Entin' ny mpangalatra any amin' ny Lemaka Andrefana ny ankamaroan' ny biby fiompy nangalarina, ka vonoina haingana ary avy eo averina an-tsokosoko any Israely dia namidin' ny mpivaro-kena amin' ny mpanjifa tsy miahiahy[10].
Ao Italia
[hanova | hanova ny fango]Taorian' ny nampisy fihenana dia nanomboka nitombo indray ny asan-jiolahy nanomboka tamin' ny taompolo 2000 tany amin' ny faritra fambolena sy fiompiana any amin' ny tanim-pirena italiana, izay matetika misy fiantraikany ara-toekarena lehibe ho an' ireo izay voaroba. Paikady isan-karazany no ampiasaina amin' ny famoretana ny halatra biby fiompy, toy ny fanaraha-maso ny tsenan' ny hena sy ny teknôlôjia vaovao momba ny marika momba ny biby fiompy. Ny tsy fahafoanan' ny rafitra miafin' ny tsenan-kena, izay matetika lasa misy fiaraha-miasa iraisam-pirenena, dia ahafahan' ny mpivarotra mandefa biby maro dia maro izay, amin' ny alalan' ny hosoka atao amin' ny antontan-taratasy izay mora atao, dia mivoaka haingana eny amin' ny tsena mahazatra. Raha ny zava-misy, ny fanaraha-maso tanim-pirenena fotsiny no fitaovana mahomby indrindra hiadiana amin' io toe-javatra io.
Amin' izao fotoana izao, ao amin' ny lalàna famaizana italiana, ny halatra biby fiompy dia tsy heverina ho heloka miavaka intsony, fa toe-javatra mampitombo sazy amin' ny halatra, araka ny voalazan' ny fehezan-dalàna famaizana italiana.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "31 killed in Laikipia cattle raid". Daily Nation. September 15, 2009.
- ↑ Kenya Human Rights Commission, Raiding Democracy: The Slaughter of the Marakwet in Kerio Valley, Nairobi: Kenya Human Rights Commission.
- ↑ Diamond, Jared (2012). The World Until Yesterday: What Can We Learn from Traditional Societies?. Penguin. ISBN 978-1101606001.
- ↑ "Conflict between Dinka and Nuer in South Sudan | Climate-Diplomacy". climate-diplomacy.org.
- ↑ "South Sudan horror at deadly cattle vendetta". BBC News.
- ↑ Olaniyan, Azeez; Yahaya, Aliyu (14 December 2016). "Cows, Bandits, and Violent Conflicts: Understanding Cattle Rustling in Northern Nigeria | Olaniyan | Africa Spectrum". Africa Spectrum. 51 (3): 93–105.
- ↑ "Cattle rustlers kill 23 people in northern Nigeria | World news | The Guardian". TheGuardian.com. Agence France-Presse. 3 June 2018.
- ↑ "Between Manslaugtering and cattle rustling: The tales of Fulani herdsmen and rural banditry in Nigeria | Calabar Reporters". Arsiva tamin' ny 2019-06-15.
- ↑ "Israeli farmers face off against master goat thieves", www.haaretz.com
- ↑ "Taking livestock: NIS 5m in beasts rustled last year", www.haaretz.com