Aller au contenu

Fiteny makedôniana

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny makedôniana na fiteny masedôniana dia fiteny indô-eorôpeana ao amin' ny fianakaviam-piteny slava atsimo. Tahaka ny fiteny bolgariana dia avy amin' ny fivoaran' ny fiteny slava taloha (izay mbola ampiasana ho fiteny litorjika) ity fiteny ity. Amin' ny fiteny makedôniana dia atao hoe македонски / makedonski na македонски јазик / makedonski jazik izy io.

Tsy misy ifandraisany amin' ny fiteny makedôniana taloha, izay fiteny helenika nampiasaina tao Makedônia taloha, ity fiteny ity, ankoatra ny maha samy ao anatin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana azy ireo. Ny fteny makedôniana no fiteny ôfisialin' i Makedônia Avaratra nanomboka tamin' ny taona 1991, manana mpiteny roa tapitrisa. Iray amin' ny fiteny ôfisialin' i Iogôslavia nanomboka tamin' ny taona 1945 ka hatramin' ny 1991 izy io.

Ny fiteny makedôniana koa dia ampiasaina any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Grisia, any amin' ny tapany atsinanan' i Albania, any amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Bolgaria any amin' ny lohasaha Strouma sy Mesta, ary koa any amin' ny diaspôra lehibe any Eorôpa Andrefana, any Amerika Atsimo ary any Aostralia. Manana ny satan' ny fitenin' ny vitsy anisa ao Albania sy ao Serbia izy fa tsy any Grisia na any Bolgaria. Any Grisia dia antsoina matetika hoe "fiteny slavô-makedôniana" izy, fa any Bolgaria kosa dia heverina ho fitenim-paritra bolgariana. Ny fiteny makedôniana dia soratana amin' ny abidy makedôniana, izay karazan' ny abidy sirilika.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]