Fitantanan' Andriamanitra
Ny fitantanann' Andriamanitra na fitsimbinan' Andriamanitra dia fidiran' Andriamanitra an-tsehatra eo amin' izao tontolo izao, endriky ny asan' Andriamanitra eo amin' izao tontolo izao. Mampiavaka azy io ny finiavana, izay tsy an' olombelona sady mihoa-drahany, izay miaraka amin' ny asan' olombelona mankany amin' ny faravodilanitry ny rariny sy ny fahalemana mahasoa.
Mifamatotra amin' ny fivoaran' ny teôlôjia sy ny tantaran' ny filôzôfia tandrefana ny famaritana ny fitantanan' Andriamanitra. Nipoitra tamin' ny Andro Taloha izy io ary nifanohitra amin' ny kisendrasendra sy, amin' ny lafiny iray, amin' ny anjara tsy azo ialana. Maneho ny fiheverana an' izao tontolo izao izay sady metafizika, kaozalista, determinista ary teleôlôjika ny fitantanan' Andriamanitra.
Tamin' ny Andro Antenatenany dia nodinihin' ny teôlôjiana, mifototra amin' ny asasoratra tamin' ny Andro Taloha, ny fitantanan' Andriamanitra. Avy eo dia niditra tamin' ny fampandrosoana ny kristianisma io voan-kevitra io.
Avy eo, nanomboka tamin' ny Renaissance sy nandritra ny vanim-potoana môderina dia nitarika ho amin' ny fitsipahana io hevitra io ny famaritana ara-pilôzôfia ny fahafahana sy ny fandrosoan' ny siansa sy ny teknôlôjia. Lasa lohahevitra halalinina ao amin' ny filôzôfian' ny tantara izy io. Avy eo dia lasa nanana hevitra mahasoa kokoa ilay teny ary nanohana ny fombam-pitondrana ara-pôlitika, hany ka lasa nifandray amin' ny pôlitika, ohatra, ny fanjakana mitsimbina.