Fehibe
Amin'ny jeografia, ny fehibe na fehiben-tany dia fehintany iray, 10 002 km miala amin'ny tendrontany avaratra na atsimo.
Ny fehibe dia marika manasaraka ny ila-bolantany avaratra sy ny ila-bolantany atsimo. Ny laharam-pehintan'ny fehibe dia zero. Izy io koa dia faribolana, ny faribolana ngeza indrindra mijadona amin'ny laharan-jarahasina.
Ny fehibe dia ny laharam-pehintany faha-0. Ny halavany dia 40 075 km. Ny halavirany amin'ny tendrontany dia 10 002 km. Ny tena toerana misy ny fehibe akory dia miovaova kely tsindraindray. Ny lemaka ara-pehibe dia mijadona amin'ny teza fihodinan'ny Tany .
Halavana
[hanova | hanova ny fango]Ny tanan'ny Tany raha refesina avy eo amin'ny fehibe dia 6 378 140 metatra araka ny Fikambanana Iraisam-pirenena ny Hainkintana , ary nafohezin'ny Firaisana Jeodezika sy Jeofizika Iraisam-pirenena ho 6 378 137 metatra taty aoriana, io izao no sanda ampiasain'ny fombe jeodezika WGS 84. Ao amin'ireo môdely ireo, ny halavan'ny fehibe dia in-2π ny halavan'ny tana, manome valiny 40 065 035,535 metatra ho an'ny voalohany ary 40 065 016,686 metatra ho an'ilay faharoa (nafohezina hatramin'ny milimetatra).
Vokatra ara-kainkintana
[hanova | hanova ny fango]Mandritry ny taona iray, mandalo eo amin'ny zenitan'ny fehibe indroa ny Masoandro, mandritra ny ekinôksa amin'ny volana Martsa sy amin'ny volana Septambra. Ny hafaingam-pilentehan'ny masoandro eo amin'ny faritra manodidon'ny fehibe mandritra ny ekinôksa dia anisan'ny haingana indrindra eto an-tany.
Ny halavan'ny andro amin'ny teôria dia adin'ny roa ambin'ny folo, fa noho ny "réfraction" ny soso-drivotra, miovaova kely fotsiny ny halava.
Ny toetanim-pehiben-tany
[hanova | hanova ny fango]Mafana sy mando ny toetanim-pehiben-tany izay hita manodina ny fehiben-tany: tsy mihoatra ny 35 °C ny maripana noho ny fientona, nefa tsy maintsy ambonin’ny 18 °C noho ny fihazon’ ny rahona ny hafanana. Tsy dia misy fiovany firy ny maripana mandritra ny andro sy mandritra ny taona. Misy fizaràn-taona roa manorana izany faritra izany, dia manodidina ny volana Marsa sy Septambra. Ao amin’ izany faritra izany no ahitana ireo toerana be ala indrindra eto an-tany, dia ny ala any Amazonia any Amerika Atsimo sy ny ala any Indônezia any Azia.