Aller au contenu

Faritanin' i Yazd

Avy amin'i Wikipedia
Ny Faritanin' i Yazd

Ny Faritanin' i Yazd dia iray amin' ny faritany 31 ao Iràna. Any afovoan' ilay firenena no misy azy ary i Yazd ny renivohiny. Ity faritany ity dia miipaka hatrany amin' ny sisin' ny efitr' i Dasht-e Kavir any avaratra ary Dasht-e Lut any atsimo. Ny Faritanin' i Yazd dia ao afovoan' ny Lembalemba Iraniana. Ankoatra an' i Yazd, ny tanàn-dehibe ao amin' ny Faritanin' i Yazd dia i Ardakan sy i Meybod any avaratra-andrefana, i Mehriz any atsimo, ary i Bafq sy i Behabad any atsinanana. Persiana ny ankamaroan' ny mponina ao amin' ny Faritanin' i Yazd, ary Mozilmana siita ny ankamaroany. Misy koa vahoaka zôrôastriana heverina ho lehibe indrindra ao Iràna.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]