Evanjelin' ny Fahamarinana
Ny Evanjelin' ny Fahamarinana na Filazantsaran' ny Fahamarinana na Vaovao Mahafalin' ny Fahamarinana dia asasoratra gnôstika tamin' ny taonjato faha-2 amin' ny teny kôpta izay hita niaraka tamin' ny Vondrom-bokin' i Nag Hammadi. Ny lohateniny dia nalaina tamin' ny andalana voalohany vitsivitsy ao amin' ny lahatsorany, fa tsy manana lohateny izy, raha ny tena marina. Izao, ohatra, ny zavatra voasoratra ao:
"Ny Evanjelin' ny Fahamarinana dia hafaliana ho an' ireo izay nandray avy amin' ny Rain' ny Fahamarinana ny fahasoavana hahalala, amin' ny alalan' ny fahefan' ny Teny no niavian' ny Plerôma, izay ao amin' ny fieritreretana sy ao amin' ny fanahin' ny Ray, izany hoe izay niresaka tamin' ny Mpamonjy." (Evanjelin' ny Fahamarinana 16).
Tsy fantatra ny nanoratra io evanjely io nefa mitovitovy amin' ny fiheveran' i Valentino, ilay mpitoriteny gnôstika tamin' ny taonjato faha-2 (taona 180 eo ho eo). "
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Apôkrifa
- Gnôstisisma
- Filazantsara (na Evanjely)
- Vondrom-bokin' i Nag Hammadi
- Filazantsara apôkrifa: Filazantsaran' ny Fahamarinana, Filazantsaran' i Nikôdemôsy, Filazantsaran' i Filipo, Filazantsaran' i Tômasy, Filazantsaran' i Barnabà, Filazantsaran' i Gamaliela, Filazantsaran' i Jodasy, Filazantsaran' i Maria, Filazantsaran' i Petera, Filazantsara miafin' i Marka, Filazantsara Arabon' ny Fahazazana, Filazantsara Armenian' ny Fahazazana, Filazantsaran' ny Fahazazana araka an' i Tômasy.