Aller au contenu

Damaso I

Avy amin'i Wikipedia
Ny Papa Damaso I

I Damaso, izay antsoina hoe Papa Damaso I, dia evekan' i Rôma teo anelanelan' ny taona 366 sy 384. Amin' ny teny latina izy dia atao hoe Damasus I. Olom-pirenena rômana izy nefa Espaniôla ny ray aman-dreniny. Teraka tamin' ny taona 305 tao Rôma sy maty tamin' ny 11 Desambra 384 tao Rôma ihany koa izy. Izy no eveken' i Rôma faha-37, nandimby an' i Liberio izay maty tamin' ny taona 366. Anisan' ny papa nalaza indrindra tamin' ny taonjato voalohandohany izy ka nisaina tao amin' ny Rain' ny Fiangonana (na Aban' ny Eglizy).

I Damaso no nitarika ny fanavaozana tao amin' ny Fiangonana. Narovany indrindra ny fahambonian' ny Fiangonan' i Rôma amin' ny Fiangonan' i Kônstantinôpôly. Niady tamin' ny fampianaran-diso izy, indrindra fa ny arianisma. Papa sy mpitia asa soratra ary pôeta i Damaso. I Damaso no naniraka an' i Hierônimo (na Jerôma) mpitan-tsorany sy mpanolotsainy, mba hanitsy ny lahatsoratry ny Baiboly amin' ny teny latina tamin' izay ka nipoiran' ny Volgata. Tamin' ny androny no naha fiteny litorjika ny fiteny latina izay nasolo ny fiteny grika.

Izy koa no nanomboka nanokana toerana hitehirizana ny tahirin-kevitry ny papa sady nanamboatra indray ny lavabato anaty tany fandevenana ny maty (atao hoe hekatomba).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]