Aller au contenu

Angidina

Avy amin'i Wikipedia
Angidina

Ny angidina dia bibikely manana vatana lava sy elatra efatra manify dia manify mangarahara ary maso lehibe dia ahafahany mihaza amim-pahombiazana ny rembiny. Izy ireo dia biby anaty rano raha mbola olitra ary an-tanety amin' ny fahalehibeazany. Ny fitambaran' ny karazan' angidina dia mamorona ny filaharana Odonata. Biby mpiremby izy ireo, izay mety ho hita tsindraindray amin' ny karazana tontolo voajanahary rehetra, saingy hita matetika eo akaikin' ny faritra misy ranomamy ka hatramin' ny rano somary masira mihandrona na mandeha, izay ilainy amin' ny fiterahany. Ny Odonata dia mizara ho zana-pilaharana roa: ny Zygoptera sy ny Anisoptera.

Ondrindrano

Ny Odonata rehetra dia manana monany anaty rano antsoina hoe ondrindrano, ary izy rehetra, na monany na lehibe, dia mpihinan-kena ary saika mpihinana bibikely, na dia ny ondrindrano aza dia mihinana izay rehetra azony resena, anisan' izany ny trondro kely sy ny tsiboboka.

Ao amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana malagasy

[hanova | hanova ny fango]
  • Lamban' angidina: ka itafiam-belona, tsy mahatafy; ifonosa-maty, tsy mahafono.
  • Mimonomonona hoatry ny lalitra hianao ; miriorio hoatry ny angidina.
  • Miriorio foana ny angidina, fa any an-kady ihany no hiafarana.
  • Mivezivezy ohatra ny rano; miriorio ohatra ny angidina.
  • Natao ihany ny mandevina lohan' angidina, fa tsy tonga vakan-karanana.
  • Toy ny angidina: atao mahia, be tratra; atao matavy, kely rambo.
  • Tsy misy malaza ohatra ny angidina, fa raha atono tsy ampy mizara.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]