Aller au contenu

Ametista

Avy amin'i Wikipedia
Ametista
Toerana ahitana ametista betsaka eto amin' izao tontolo izao

Ny ametista dia karazana vatokaranana tantera-pahazavana, volomparasy na manja mena vokatry fisian' ny vy na ny manganezy ao aminy. Amin' ny maha vat azy dia mana,a raikipohy simika SiO2 (ôksida-na silisiôma) Ity mineraly ity dia ampiasaina amin' ny fanamboarana firavaka sy tombo-kase ary peratra. Ny santionany tsara tarehy indrindra dia hita any India, any Srilanka ary any Brezila. Ny ametista koa dia hita any Eorôpa (any Ekôsy sy Frantsa ary Tsekia).

Tsy fahita firy ny ametista tamin' ny Andro Taloha. Tany am-piandohan' ny taonjato faha-20 vao nahazatra ny nahita tahiry tany Brezila sy Orogoay.

I Brezila amin' izao fotoana izao no mpamokatra ametista lehibe indrindra eran-tany, ny marimarina kokoa ao amin' ny Fanjakan' i Rio Grande do Sul. Ny tanànan' i Ametista do Sul no tena mpamokatra ilay vatosoa ao amin' io firenena io. Ireto koa ny firenena hafa mpamokatra ametista: Belzika, Kanada, Frantsa, Madagasikara, Meksika, Orogoay, ary Finlandy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]