Aller au contenu

Fasisma

Avy amin'i Wikipedia

Ny fasisma dia karazana fitondrana iray, izay heverina manan-danja kokoa noho ny olona iray, vondrona, fahafahana, na ny fandaharana ny firenena .

Ny firenena ambanin'izany karazana fitondram-panjakana izany dia matetika entin'ny olona iray antsoina hoe mpitarika, izay manana ny zo manara-maso tanteraka ny governemanta sy ny vahoaka.

Ny fitondrana fasista koa dia ho toa ôligarsia, toy ny tany Italia izay nanana antoko fasista entin'ny "filan-kevitra lehibe" nanomboka tamin'ny 1922 mandra-pahatapitry ny Ady Lehibe Faharoa.

Fasisma dia niseho tany Eoropa talohan'ny Ady Lehibe Faharoa, satria maro ny olona no nihevitra fa malemy ny demokrasia ary feno fanao mamoafady loatra ny kapitalisma sy ny tsy rariny ho an'ny vahoaka, raha ny kômonisma indray dia nampiray saina sy ny ara-drariny fa tsy miraharaha izay ilain'ny firenena ary mampijaly sy mananosarotra ny fandraisana andraikitra amin'ny fandraharahana .

Ny fasisma dia tokony ho ny valin'izay mila, miaraka amin'ny firaisam-pirenena sy ny firaisan-kina ho solon'ny antokon'ny tolon'ny sokajim-piarahamnina ary antoko politika. Ny liberaly sy ny mpino amin'ny demokrasia amin'ny ankapobeny dia mihevitra fa ny fasisma sy ny kominisma dia lafiny roa ny tôtalitarisma, ary ny iombonany dia ny faniriana ny hifehy ny zava-drehetra, ary tsy hamela fahalalahana. Fa, ny afa-po amin'ny marksisma-leninisma dia mihevitra fa kapitalisma dia na mamorona na mampiasa fasisma ho fitaovana mba handringanana ny hetsiky ny mpiasa ary manamafy ny fitondran'ny kilasy ambony, raha izany no fanamby. Manao izany amin'ny alalan'ny manintona ny olona ary ny zavatra ilainy faran'izay tsotra indrindra, kanefa mitady ny mahasoa ny efa manan-karena.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]