Aller au contenu

Adizaoza

Avy amin'i Wikipedia
Sinibe

Ny Adizaoza no vintana fahatelo ao amin' ny fanandroana malagasy. Ny Adaoro no eo alohany ary ny Asorotany no manaraka azy. Eo amin' ny Adizaoza no fitoeran' ny sinibe ao an-trano.

Fiavian' ilay anarana

[hanova | hanova ny fango]

Fiavian' ilay anarana

[hanova | hanova ny fango]
Antokon-kintan'ny Kambana

Avy amin' ny anaran' antokon-kintan' ny zôdiaka amin' ny teny arabo hoe اجوزاء / Al-Djuza ("kambana") ny hoe Adizaoza. Amin' ny faritra sasany eto Madagasikara dia atao hoe Alijoza na Alizoza io teny io.

Manondro ny antokon-kintana atao amin' ny teny latina sy anglisy hoe Gemini na amin' ny teny frantsay hoe Gémaux ny hoe Adizaoza. Amin' ny fiteny soahily dia atao hoe Jauza na Mapacha io antokon-kintana io. Amin' ny teny maley kosa dia atao hoe Jauza na Kembar ihany koa izy.

Ny antokon-kintana Kambana sy ny zôdiaka

[hanova | hanova ny fango]

Ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny antokon-kintan' ny Kambana dia miantomboka amin' ny 21 Jona hatramin' ny 20 Jolay. Ny fari-potoan' ny Kambana araka ny zôdiakan-kintana kosa dia eo hatramin' ny 16 Jona hatramin' ny 15 Jolay. Ny Kambana ao amin' ny zôdiakam-panandroana mahazatra (zôdiaka mikisaka; frantsay: zodiaque tropical) dia avy eo amin' ny 21 Mey ka miafara amin' ny 21 Jona.

Ombilahy na Adaoro Kambana na Adizaoza Foza na Asorotany
Antokon-kintana 13 Mey - 21 Jona 21 Jona - 20 Jolay 20 Jolay - 10 Aogositra
Zôdiakan-kintana 16 Mey - 15 Jona 16 Jona - 15 Jolay 16 Jolay - 15 Aogositra
Zôdiaka mikisaka 21 Avrily - 20 Mey 21 Mey - 21 Jona 22 Jona - 22 Jolay

Ny Adaoro amin' ny fanandroana malagasy dia tsy mifanaraka amin' ireo noho izy miandry tsinam-bolana.

Ny vintana Adizaoza

[hanova | hanova ny fango]

Ao amin' ny fanandroana malagasy dia vintana fahatelo ny Adizaoza ka ny tapany atsimo amin' ny rindrin-trano antsinanana no toerana omena azy. Zanabintana ny Adizaoza. Ny Alakaosy no mifandratra amin' ny Adizaoza sady miarina eo amin' ny Adijady. Baben' ny renivintana Asorotany ny zanabintana Adizaoza. Mitondra tonon' andro roa ny Adizaoza, dia ny vava Adizaoza (na vavan' Adizaoza) sy ny vody Adizaoza (na vodin' Adizaoza).

Araka ny finoan-drazana malagasy dia vintana mahery ny Adizaoza ka ny olona ateraka aminy dia "miozanozana" na "sahozanina" raha tsy alam-bintana.

Izay olona mikasa hampaka-bady, na hanorin-trano, sns., nefa sendra mifandratra amin' ny vintany ny andro tsara fanaovana izany, dia ny Adizaoza no tokony hofidiny, fa io tsy mihetsiketsika tahaka ny sinibe, ka hampateza ny zavatra kasaina hatao. Amin' ny ankapobeny dia vintana mahery ny Adizaoza

Vava Adizaoza

[hanova | hanova ny fango]

Tonon' andro mahery ny vava Adizaoza ka ny olona teraka aminy dia miozanozana sy sahozanina raha tsy alam-bintana, ka ho lasa mahantra rehefa lehibe.

Vody Adizaoza

[hanova | hanova ny fango]

Ny vody Adizaoza dia malefaka kokoa ka ny vehivavy teraka amin' izany dia ho maro anaka nefa malahelon-karena, fa ny lehilahy kosa tsy hambinina amin' ny fihariana.

Ny Adizaoza ao amin' ny fanandroam-bolana

[hanova | hanova ny fango]

Misy amin' ny Malagasy ny mandray ny volana Adizaoza ho volana fahatelo amin' ny taona ao amin' ny tetiandro malagasy (raha ny Alahamady no ataony volana voalohany). Manomboka amin' ny vava Adizaoza ka miafara amin' ny vody Adaoro ny volana Adizaoza raha misy 28 andro. Raha tsy tsinanam-bolana ny andro aorian' ny vody Adaoro dia miafara amin' ny vava Adizaoza ny volana Adizaoza izay misy 29 andro; raha mbola tsy tsinana aorian' io vava Adizaoza io dia mifarana amin' ny vody Adizaoza ny volana izay misy 30 andro.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy:

Evan' ny zôdiaka:

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Tetiandro