Silamo ao Kômôro
Ny silamo ao Kômôro dia fivavahan' ny ankamaroan' ny Kômôriana, ka ny sonisma manaraka fombam-pivavahana safeita no manjaka amin' izany, izay sady lasa fivavaham-panjakana koa taty aoriana. Ahitana Indiana siita vitsy anisa koa ao.
Tantara
[hanova | hanova ny fango]Fiantombohany
[hanova | hanova ny fango]Araka ny lovantsofina dia fa efa nisy nitondra tao Kômôro tamin' ny andron' ny mpaminany Mohamady ny fivavahana silamo, tamin' ny alalan' ny andriana kômôriana avy nitsidika an' i Meka, dia i Fey Bedia Mwamba sy i Mtswa Mawandze[1]. Mihevitra anefa ny mpandinika tantara fa Arabo mpivarotra sy andriandahy sonita persiana izay nisesitany tao Kômôro tamin' ny taonjato faha-9 no nitondra io fivavahana io.
Fandrosoany
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny taonjato faha-16 dia nisy mpitarika avy any Shiraz atao hoe Hassan ibn Issa, izay nilaza fa taranak' i Mohamady, niantso ny Kômôriana hiova finoana ho amin' ny silamo. Nampanamboatra môskea (masaajid) betsaka koa izy. Taty aoriana, tamin' ny taonjato faha-19, dia nampiditra ny fikambanam-pirahalafiana Shadhiliyya tao Kômôro ny sheikh Abdallah Darwesh, izay teraka tao amin' io tamba-nosy io. Nandeha tany Atsinanana Afovoany izy ary izy no angady nanana sy vy nahitana ny fandrosoan' io fikambanam-pirahalahiana sofỳ io. Ny sheikh Al-Ami ibn Ali al-Mazruwi, izay maty tamin' ny taona 1949, no ulema voalohan' i Kômôro. Nandika boky maro momba ny fivavahana silamo tamin' ny teny soahily izy.
Ny firehana
[hanova | hanova ny fango]Ny sonisma
[hanova | hanova ny fango]Ny silamo sonita manaraka fombam-pivavahana safeita no fivavahana manjaka ao Kômôro hatramin' ny Andro Antenatenany. Manaraka ny silamo sonita, izay lasa fivavaham-panjakana, ny 98 % amin' ny Kômôriana[2].
Ny fidirana an-tsehatr' i Arabia Saodita amin' ny fiainan' i Kômôro (i Arabia Saodita izay mampiasa ny volany hatramin' ny 40 tapitrisa dôlara tamin' ny taona 2017, araka ny famporisihan' ny filoham-pirenena Azali Assoumani) dia miteraka fanahiana eo amin' ny mpanara-maso iraisam-pirenena ny amin' ny hanjakazakan' ny oahabisma ao amin' ireo nosy ireo, sy ny voka-dratsy ara-pôlitika mety haterak' izany[3].
Ny siisma
[hanova | hanova ny fango]Ahitana Indiana siita vitsy anisa, izay misahana ny ampahany be amin' ny raharaham-barotra, ny ao Kômôro. Siita ny sisa amin' ny Mozilmana kômôriana izay vitsy anisa sady iharan' ny fanenjehana.
Fampifangaroana fivavahana
[hanova | hanova ny fango]Ao Ngazidja dia mitahiry fomba fanao avy ao Afrika sy fanao silamo ny ulema (teôlôjiana mozilmana sonita). Matetika dia mifanohitra ireo fanao roa ireo nefa izany no mampiavaka ny silamo ao Kômôro. Anisan' izany fanao izany ny lanonana fahatsiarovana ny maty (izay mampahatsiahy ny fombafomba vôdo), sy ny fisian' ny fombafomba misy fanaovana ody ampiarahina amin' ny finoana ny fanahy sasany (izay ampitovina amin' ny jiny).
Ny silamo ao Kômôro ankehitriny
[hanova | hanova ny fango]Môskea sy toerana masina hafa
[hanova | hanova ny fango]Ahitana môskea anjatony maro ny nosin' i Kômôro, ary ahitana madrasa maro koa. Mandeha any amin' ny sekoly koranika mandritra ny roa na telo taona ny zazalahy rehetra, manomboka amin' ny fahadimy taonany. Mianatra teny arabo izy ireo ao ary mianatra koa ny fotopototry ny fivavahana silamo. Raha zanaka tantsaha izy ireo dia manampy ny mpampianatra amin' ny asa fambolena. Tamin' ny taona 1998 dia notokanana tao Moroni ilay Môskea Lehibe izay novatsian' ny emiran' i Sharjag vola. Indraindray ny Mozilmana kômôriana dia manao fivahiniana masina any amin' ny fasan' ny olomasin' ny silamo sy any amin' ny fasan' ny mpanorina ny fikambanam-pirahalahiana sofy.
Fety sy fomba amam-panao
[hanova | hanova ny fango]Matetika ny Mozilmana kômôriana no manontany hevitra amin' ny mwalimu sy amin' ny Talib momba ny fahasalamana sy mba hiarovany amin' ny jiny. Asain' ny mwalimu na fundi sy marabout ny manambara ny andro tsara anaovana fifadian-kanina sy ampakaram-bady ny jiny, manoro lalana amin' ny lanonam-panasitranana, ary manamboatra ody fiarovana mirakitra andininy (ayat) avy amin' ny Kor'any.
Ankalazain' ny Mozilmana kômôriana ny fety mozilmana rehetra, indrindra ny Aid el-Adha, ny Muharram, ny Ashura, ny Mawlid, ny Laylat-al-Mi'raj ary ny Ramadan. Mahatratra ny faratampon' ny fankalazana ny Mawlid amin' ny fanaovana fifadian-kanina ataon' ny ulema, ka mandritra izany ny vehivavy dia mitafy chirumani izay karazana batik manarona ny tenany manontolo.
Ny silamo pôlitika
[hanova | hanova ny fango]Nikorontana ny toe-draharaha ara-pôlitika sy ara-toekarena hatramin' ny taona 1975 nahazoan' i Kômôro ny fahaleovan-tena ary nahasarotra ny fanajana ny zon' olombelona sy ny fahamarinana ara-piarahamonina izany. Nandray ny pôlitikan' ny Tandrefana - izay tsy manome anjara toerana ny fivavahana amin' ny fitantanam-pirenana - ny fitondram-panjakana kômôriana, nefa manohy manohana ny mpitarika fikambanam-pirahalahiana silamo.
Samy mikatsaka ny hahazo ny fanohanan' ny fivavahana ny firehana ara-pôlitika mpifanandrina mba hahatonga ny fahefana pôlitika hankatoavina na mba hanoherana izany fahefana izany. Manana ny fahazoany izay voalaza ao amin' ny Kor'any sy ao amin' ny Hadita (Hadith) ny mpanohitra, ka mitaky ny hampiharana ny lalàna sharia mba hiadiana amin' ny kolikoly izay mamotika ny firenena. Maro ny firehan' ny silamo ara-pôlitika izay mifaninana amin' ny fanohanana na amin' ny fanonganana ny fitodram-panjakana.
Nitombo izaitsizy ny islamisma sy ny oahabisma hatramin' ny nisian' ny mpianatra nanohy fianarana momba ny fivavahana silamo any am-pitan-dranomasina. Manoloana ny tsy fisian' ny fahamarinana sy ny korontana tsy voafehin' ny fitondram-panjakana dia mihevitra ny hanangana repoblika islamika ny islamista. I Fazul Abdullah Mohammed, izay ahiahina ho mpikambana ao amin' ny Al-Qaida, dia teraka tao Moroni ary mizaka ny zom-pirenena keniana sy kômôriana.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Kristianisma ao Kômôro
- Fivavahana ao Kômôro
- Fahalalahan' ny fivavahana ao Kômôro
- Silamo aty Afrika
- Kômôro
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Pierre Vérin (1982). "Mtswa Muyindza et l'introduction de l'Islam à Ngazidja; au sujet de la tradition et du texte de Pechmarty". Études Océan Indien. 2: 95–100.
- ↑ "The World Factbook – Central Intelligence Agency". cia.gov. 15 May 2007.
- ↑ Laëtitia Saint-Paul, « Compte-rendu de la mission aux Comores, du 14 au 19 octobre 2018 », sur laetitia-saint-paul.fr, 15 décembre 2018, citations reprises par Geoffroy Vauthier, « La commission des Affaires Étrangères étrille l'Union des Comores », Mayotte Hebdo, no 868, 11 janvier 2019.