Jirofo
Ny jirofo dia zavamaniry amin’ ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany, izay volena mba hahazoana ny voniny, izay antsoina hoe jirofo ihany koa.
Faritra mety amin' ny fambolena jirofo
[hanova | hanova ny fango]Avy any Maluku Utara (Maloko Avaratra) any Indônezia ny jirofo nefa ankehitriny dia volena amin’ ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany mafana sy mando.
Antontanisan' ny famokarana jirofo (2003-2004)
Trehimarika avy amin' ny FAOSTAT | |||||
Indônezia | 87 909 | 68,2 % | |||
Madagasikara | 20 000 | 15,5 % | |||
Tanzania | 12 500 | 9,7 % | |||
Srilanka | 4 100 | 3,2 % | |||
Kômôro | 3 013 | 2,3 % | |||
Firenena hafa | 1 370 | 1,1 % | |||
Fitambarany | 128 892 | 100 % |
Toetoetran' ny jirofo
[hanova | hanova ny fango]Karazan-kazo madinika ny jirofo, izay misy raviny mahari-mipetaka amin’ ny tahony fa tsy mora mihintsana, sady miendrina atody. Syzygium aromaticum no anarany ara-tsiansa. Miendrika kitsoloha ny hazo jirofo ary manana haavo mirefy 12 m hatramin' ny 20 m.
Ny felam-bonin’ny jirofo, izay miloko fotsy manopy mavokely, dia mitapelaka kely sady mitangorona ary mamoaka fofo-manitra. Mani-pofona ihany koa ny ravin’ ny jirofo sy ny hodiny.
Fikarakarana sy fampiasana ny vokatra jirofo
[hanova | hanova ny fango]Ahahy amin’ ny masoandro na hafanaina anaty setrok’ afon-kitay ny voan-jirofo ka mamoaka fofo-manitra antonony tsara ampiasaina amin’ ny nahadro.
Ahazoana ranony ampiasaina amin’ ny fanamboarana ranomanitra sy savony ny jirofo rehefa avy noterena sy notanehina.
Azo ampiasaina amin’ ny fandidiana momba ny nify koa izany satria tsy andrenesana ny manaintaina sady mamono ny mikrôba.
Anarana ara-tsiansa iantsoana azy
[hanova | hanova ny fango]- Caryophyllus aromaticus L.
- Caryophyllus hortensis Noronha
- Caryophyllus silvestris Teysm. ex Hassk.
- Eugenia aromatica (L.) Baill. (synonyme ambigu)
- Eugenia caryophyllata Thunb.
- Eugenia caryophyllus (Spreng.) Bullock & S. G. Harrison
- Jambosa caryophyllus (Spreng.) Nied.
- Myrtus caryophyllus Spreng.